Ralitavaratra

Taranaka jiosy ary mpisorona tao Maka (La Mecque) any Arabia i Ralitavaratra, no nanapa-kevitra ny hifindra honina taty Madagasikara, rehefa tsapany fa niharatsy ny fonenany tany.

Nalaza tokoa manko tamin’izany andro izany fa nanana fanaka masina sy harena saro-bidy nolovainy tamin’ny razany i Ralitavaratra, ka dia niteraka fitsiriritana sy hevi-dratsy teo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpiray monina taminy tao Maka izany harena teo aminy izany. Maro tamin’ireo olona ireo no liana te-hahita an’izany harena izany, betsaka ihany koa anefa ny te-handroba tsotra izao satria nahalala ny hasarobidin’ ireo fanaka masina ireo.

Ka rehefa tsikaritr’i Ralitavaratra izany teo-javatra izany dia naleony nisitaka mangina ka dia niondrana an-tsabo izy, ary nandeha nianatsimo nankaty Madagasikara.

Antony maro no nisafidianany ny hankaty Madagasikara. Voalohany tamin’izany dia ny fahalalany fa misy jiosy tahaka azy koa efa lasa taty Madagasikara ka nitondra harena masina ka dia nanaradia azy ireo izy mba te hijery an’izany harena masina izany koa, sy ny mba hampitambarana an’ireo fanaka masina ireo aminy ny eo am-pelatanany. Ny antony faharoa dia ny fahalalany fa tany masina ity tanin-tsika ity ka mendrika ny hitehirizana an’ireo fanaka ireo sy tsara hitoeran’ny taranany ihany koa.

Raha araka ny boky Sorabe dia ireto no anisan’ny harena sarobidy nentin’I Ali Tawarath :

  • Ny sabatra fisoronan’ny mpanjaka Davida ;
  • Ny tehina namakian’i Mosa (Moïse) ny ranomasina mena ;
  • Sila-bato misy ny didy faha efatra amin’ny didy folo ;
  • Karazana vatosoa masina isan-karazany ;
  • Ny bokin’i Mosa (nantsoina hoe Tawarath) ;
  • Ny bokin’i Davida (nantsoina hoe Zabora) ;
  • Ny boky fanandroan’i Daniela (nantsoina hoe Sat el Habar na Sata Manambara) ;
  • Ny bokin’i Mohamady (nantsoina hoe Korany) ;
  • Ny boky mpahendren’i Rasolaimana (Salomon): ny voalohany mikasika ny jiny ary ny faharoa mikasika ny malaika (anjely) ;
  • Boky tantara samihafa.

Ralitavaratra na Ali Tawarath

Tamin’ny taona asabotsy 873 hazira (1495 E.C.), andro zoma, vintana asombola, volana asoro no niala tao Iharana i Ralitavaratra ary nianatsimo nanaraka ny moron-tsiraka atsinanana.

Fa ny rahalahany roa lahy kosa (Andriampakihisimaely sy Andriambomiforaha) nandeha talohany satria samy nianatsimo ihany ry zareo fa izy roa lahy kosa nandeha sambo raha nandeha tongotra nanaraka ny moron-tsiraka i Ralitavaratra.

Raha tonga tao Masindrano Mananjary izy dia nandalo tao amin’i Andriampakihisimaely (Fakih Ismael) rahalahany satria izy io dia nanorim-ponenana tao. Niangavy azy Andriampakihisimaely mba hijanona hiara hitoetra ao izy miandry, nefa nanda Ralitavaratra ary nitoka nanao hoe: « tany tsy mahasitrak’ampazaka ity ka iaho tsy hipetraka eto » ka dia nanohy ny diany nianatsimo ihany izy.

Raha tonga tao Marofarihy izy dia nitoka fa: »tany mahavokatra ity tany ity kanefa ampamboly fary no mahay mipetraka eto » ka dia nanohy ny diany ihany izy.

Raha tonga tao Manakara izy dia nitoka indray fa « tany manana harana ity (be vato) ary hitoeram-bazaha sy mpivahiny isan-karazany any aorina any ka olo ampitady vola ny mahay mipetraka eto » ka dia lasa nanohy ny diany nianatsimo ihany izy.

Tamin’ny taona alatsinainy 875 hazira kosa izy no tonga tao Matatana voalohany. Raha tonga tao Matatana i Ralitavaratra dia nitoka nanao hoe : « tany masina ity tany ity ary tsara honenana » kanefa dia nanapa-kevitra ny hanohy ny diany izy sao dia mahita tany tsaratsara kokoa noho ny efa hitany ao Matatana, ka dia lasa nianatsimo ihany izy.

Raha tonga tao Mananara faritanin’ny Antesaka kosa izy dia nahita fa tany tena mahavokatra izany tany izany ka dia nanapa-kevitra izy fa hijanona tao. Tao ihany koa izy no nanamboatra hosy voalohany hamboleny vary teto Madagasikara. Tena vokatra tokoa ny vary namboleny tamin’izany. Tamin’izany ihany koa dia tsy nisy zavatra nahasahy nikitika ny variny, na tsiriry izany na fody na voalavo na valala eny hatramin’ny rivo-doza dia tsy nahavita na inona na inona tamin’ny vary namboleny. Rehefa niakatra anefa ny vary dia lasa i Ralitavaratra teny am-binanin’ny Mananara ka rehefa tonga teny izy dia natsipiny tao anaty rano ny ahitra ka avy dia nilentika tsy nisy nijanona ka nitoka izy nanao heo: « tsy marina ny mipetraka eto » ka dia lasa indray izy nianatsimo.

Raha tonga tao Masihanaka, Manambondro ary Sandravinagny Ralitavaratra dia nianadrefana ka nitodidoha ho any Sakalava. Raha tonga tany amin’ny faritanin’ny Sakalava izy dia nanatona ny mpanajaka Andriamisara ka dia niresaka sy nifagnosafa tao izy roroy lahy.

Raha niala tao Sakalava izy dia nianatsimo ka tonga tao Anosy (Faradofay) tamin’ny taona  zoma 879 hazira. Ka nandalo tao amin’i Andriambomiforaha (Mosa Ben Forah) rahalahany. Ka reha nitafa izy miandry dia niangavy azy Andriambomiforaha mba hijanona hiara hitoetra miaraka aminy ao Anosy. Namaly anefa Ralitavaratra fa izay tany hitany fa masina ihany ny hipetrahany.

Raha niala tao Anosy ary Ralitavaratra dia niverina tany Matatana ka tamin’ny taona asabotsy 880 hazira, andro zoma, vintana alahasady, volana asombola no nahatongavany tao Matatana. Ka tao Emahatsara (Ampandriamborona) eo atsinanan’i Vatomasina izy no nipetraka.

Raha tafaverina tao Matatana Ralitavaratra dia niteny fa: « amin’ny tany rehetra nombako dia tsy misy tsara mihoatra an’i Matatana, ka dia eto aho no honona ».

Rehefa tafapetraka tsara tao Matatana i Ralitavaratra, dia lasa tany amin’ny faritanin’I Karianga ary dia nangala vehivavy ho vady ka tamin’ny foko Antelohony tao avaratr’i Karianga izy no naka vady. Ary i Rasoalohony no anaran’io vehivavy io. Tamin’izany fotoana izany no nampianaran-dRalitavaratra fitsaboana ny valilahiny ary mandrak’androany dia malaza ho mahay mitsabo arakin’ny fomba Malagasy ireo Antelohony ireo.

Fomba Antemoro: ny Sorabe sy Sakandro

Sombin-Tantaran’ny fanjakana Antemoro

Thèse de Doctorat: Histoire biologique d’une population du sud-est malgache : les Antemoro, par Mélanie Capredon (Rapporteur de thèse: Pr. Nary Rajaonarimanana)